Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza miseho amin'ny endrika maro samihafa na eo amin'ny fisehoany avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa. Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna. Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nanazava ilay fandrahonana amin'ny loza ho an'ireo izay manisy ratsy ny Olona, ary fahazoana fahasahiranana ho an'ireo izay manasarotra ho an'ny Olona.