Ny Mpaminany (S.A.W) dia tia mankamaro ny Douan, amin'ireo douan mifono hatsarana betsaka ka isan'izany ny : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azàban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any ankoatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”. Tafiditra ao anatin’izany ny soa eto an-tany, toy ny vatsy mahafinaritra, ampy ary madio Halal, vady mendrika, zaza mahafatifaty ny maso, fialan-tsasatra, fahalalana mahasoa, asa tsara, sy ny hafa ankoatr'izany amin'ireo faniriana tsara sy mety, ary ny soa ny any ankoatra, toy ny fiarovana amin’ny famaizana any am-pasana, eo amin'ny fitsanganana, anaty afobe, fahazoana ny hafalian'I Allah, ny fandresena noho ny fahasovana mandrak'izay, ary ny fanatonana an’Ilay Tompo be famindram-po.