Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra eo amin'ny silamo izay hanao ampihimamba ny volan'ny silamo sy ny raharahan'izy ireo eto an-tany, handany izany araka izay tiany ary tsy hanome ny zon'ny mpino silamo amin'izany. Ary mety hanao zavatra tsy ankasitrahana izy ireo momba ny finoana. Nanontany azy ireo ny mpanaradiany hoe: Inona no tokony hataon’izy ireo amin’izany toe-javatra izany? Niteny tamin'izy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fakany ny harena ho azy samirery dia tsy misakana anareo hanao izay adidinareo amin'izy ireo amin'ny fihainoana sy ny fankatoavana, fa kosa, mahareta, mihainoa, mankatò ary manaova fa aza mifanditra amin'izy ireo amin’io raharaha io, ary angataho ny zo anananao amin’Allah, mba hanitsiny azy ireo sy hanesorana ny faharatsiana sy ny tsy rariny ataony.