Nohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) ireo zavatra ny fanaovana azy dia fanomoan-tsampy; isan'izany : Voalohany : Al-Rokiat : ireo teny izay itadiavan'ny olona talohan'ny Islam fahasitranana izay mifono fanompoan-tsampy. Faharoa : Ody atao amin’ny vakana sy ny toy izany : izay afatotra amin’ny ankizy sy ny biby ary ny hafa mba hialana amin’ny ratsy. Fahatelo: Tioala : Ody fitia izay atao mba hampifankatia ny mpivady roa. Ireo zavatra ireo dia fanompoan-tsampy; Satria izy no antony nanaovana zavatra iray, nefa izy di tsy antony mazava tsara arahna porofo, no sady tsy antony mivaingana azo tsapahin-tànana amin'ny traikefa. Fa ny amin’ny antony ara-dalàna, toy ny famakiana ny boky masina Koroany na ny antony ara-batana, toy ny fanafody voaporofon’ny traikefa, dia azo atao amin’ny finoana fa izy tokoa no antony, ary ny soa sy ny ratsy dia eo am-pelatànan'Allah.