Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.." Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Nanazava ny fomba dimy amin'ny finoana Islam sy ny fomban'ireo iraka rehetra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany amin'izy ireo : famorana, izany dia ny fanapahana ny hoditra mihoatra eo amin'ny filahiana eo ambonin'ny lohan'ny filahiana, ary fanapahana ny lohan'ny hoditra eo amin'ny fivavian'ny vehivavy eo ambonin'ny toerana fampidirana. Ny faharoa : fanadiovana henatra, izany dia ny fanapahana ny volovolo manodidina ny henatra aloha. Fahatelo : fanapahana ny volombava ambony, izany dia ny fanapahana izay maniry eo ambonin'ny molotra ambony ka noho izany dia miseho ny molotra. Fahefatra: fanalana hoho. Fahadimy : fanongotana volokelika.

explain-icon

fawaed

  • Ny fomba amam-panaon'ireo Iraka izay tian'Allah sy ankasitrahany, ary didiny ny fanatanterahana azy, dia miantso mankany amin'ny fahalavorariana sy fahadiovana ary hatsarana.
  • Ny maha-ara-dalàna ny fahazarana manao ireo zavatra ireo, ary tsy azo hatao tsirambina izany.
  • Ireo zavatra ireo dia ahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany, ao anatin’izany ny : fanatsarana ny bika aman’endrika, ny fanadiovana ny vatana, ny fitandremana ny fahadiovana, ny fihavahana amin'ny tsy mpino ary ny fankatoavana ny didin’Allah.
  • Misy fanampiny hafa voalaza any amin'ny hadith hafa momba ireo fombafomba voa-janahary ankoatra ireo dimy voalaza, toy ny : famelana ny somotra, fampiasana siwàk, sy ny hafa ankoatr'izany.
explain-icon

cats

explain-icon

more