Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nanoratra ny amin'ny antsipiriany ny anjaran'ny zavaboary tsirairay izay mbola hitranga eo amin'ny fiainan'izy ireo, toy ny fiainana, ny fahafatesana, ny fivelomana sy ny zavatra hafa maro ihany koa, ao amin'ny solaitrabe voatahiry dimy alina taona talohan'ny namoronany ny lanitra sy ny tany, dia ho tanteraka avokoa izany arakan'izay efa nandidiany fanapahan-kevitran’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha Ka izay zavatra rehetra miseho sy mitranga dia araka ny lahatra izay efa nandaharan'ny Tompo Allah azy. Ka izay rehetra manjo sy mahazo ny mpanompo iray dia tsy hafaka ho tafihala amin'izany Izy, ary izay rehetra tsy nanjo sy tsy nahavoa Azy ihany koa dia efa voasoratra Aminy.