Milaza ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manonona ny teny fanokanana an'I Allah, mahafantatra tsara ny dikany sy manao zavatra mifanaraka aminy, Ary nijoro ho vavolombelona ny maha mpanompo an’i Mohammad (S.A.W) sy ny hafatra Noéntiny, ary nanaiky ny maha mpanompo an’i Jesoa sy ny hafany. Ary Allah no namorona Azy (Jesoa) tamin'ny filazana hoe "misia" ka dia nisy izy, ary izy dia iray amin'ireo fanahy noforonin'I Allah. Ary nanala ny reniny tamin’ny fanendrikendrehana nataon'ireo Jiosy taminy. Nino koa izy fa tena misy marina ny Paradisa, ary tena misy ny Afobe, mino ny fisian'izy roa, ary izy roa no fahasambarana sy fampijaliana avy amin’I Allah. Ary maty tamin’izany izy; dia ho any amin’ny Paradisa ny làlan-kizorany, na dia nanao tsirambina amin’ny fankatoavana aza izy ary misy fahotana.